Ny fikambanana Asômpsiônista na Congrégation des Augustins de l’Assomption.

 

Emmanuel d’Alzon

 “Emmanuel Joseph Marie D’Alzon” izay tsorina hoe: Emmanuel d’Alzon no anaran’ny mpanorina ny fikambanana Asômpsiônista na koa hoe : Congrégation des Augustins de l’Assomption. Teraka tamin’ny 30 aogositra 1810 tao Vigan (Frantsa) diôsezin’i Nîmes, zanak’i Henri Daudé d’Alzon sy i Jeanne Clémence de Faventine. Nanana anabavy roa sy rahalahy iray izay maty fony roa taona monja izy, noho izany dia lahitokana i Emmenuel d'Alzon. Andriana no sady kristianina no tsokajy misy ny fianakaviany. Ny 2 septembre 1810 no nandraisany ny sakramentan’i Batemy ary  ny 1 jolay 1824 no nandraisany ny sakramentan’ny Eokaristia.

Naniry ny hiditra tany amin’ny sekoly militera tany Saint Cyr i d’Alzon rahefa nahavita ny fianarany. Tsy nakatoavin’ny Ray aman-dReniny anefa io faniriany io, noho ny fiarovan’izy ireo ny fitondratenany sy ny finoany mba tsy ho simba. Noho izany dia nianatra lalàna tao amin’ny oniversiten’i Paris izy. Tamin’izay no nirotsahany ho mpikambana tao amin’ny fikambanana miaro ny Fiangonana sy ny Finoana. Tao no nitsiry tao aminy ny faniriany ho Pretra mba hiaro ny Zon’Andriamanitra sy ny Fiangonana manoloana ny fanenjehana ny Fiangonana tamin’izay fotoana izay.

Ny 14 marsa 1832 no nidirany tao amin’ny Seminera Zokiny toa Monptelier. Tsy afa-po tamin’ny fianarana tao izy ka nifindra tany Rôma ary nianatra tamin’ny sekoly iray izay notantanan’ny Jezoita. Nahatsapa izy fa tsy dia nisy fahalalahana loatra ny fanabeazana tao ka dia nivoaka ny sekoly izy ary nampianan-tena sy nanantonana tsikelikely ireo Teôlôjianina tao Rôma. Tamin’ny 1834 no vitany ny fianarany.

Nohamasinina ho diakra lefitra tamin’ny 14 desambra 1834, diakra tamin’ny 20 desambra 1834 ary dia nohamasininy ho pretra tao Rôma tamin’ny 26 desambra 1834. Nandao an’i Rôma izy tamin’ny 19 Mai 1835 mba hihazo an’i Nima izay Diôsezy niaviany. Ary  tonga soa aman-tsara tao Nima tamin’ny 5 Jolay 1835. Pretra tanora mbola 25 taona monja izy tamin’izay ka nisalasala i Mônsignera Chaffoy evekan’i Nima hanome andraikitra azy. Nanampy ny fisalasalan’ity Eveka ity ihany koa ny filazan'i Mômpera d'Alzon fa hampibebaka ny Prôtestanta izy satria mbola nisy olana teo amin’ny prôtestanta sy ny katôlika tamin’izay. Notendrena ho vikera “Honoraire” sy “chanoine” ihany anefa izy. Nony maty i Mgr Chaffoy dia notendrena ho eveka izy fa tsy nanaiky noho izy efa nisafidy ny tsy handray ny laharam-boninahitra ao amin’ny Fiangonana fa hanompo sy hanatanteraka ny asa izay ilain’ny Fiangonana ihany no masaka ao an-tsainy. I Mgr Cart no eveka nandimby an’i Mgr Chaffoy àry dia notendrena ho vikera jeneraly fanindroany indray i Mômpera d’Alzon. Niasa nandritra ny 46 taona tao amin’ny diôsezin’i Nima izy. Nandritra izany fotoana izany dia eveka efatra no nifandimby tao Nîme ary samy nanendry azy ho vikera jeneraly avakoa, izany no nahatonga azy ho vikera jeneraly mandrapahafatiny.

Ny vanim-potoana sarotra sy ny fietrehan’i Mômpera d’Alzon azy

Vokatry ny fivoarana nentin’ny revôlisiônina Frantsay tamin’ny taona 1789 dia nandalo vanim-potoana sarotra ny Fiangonana sy ny Firenena Frantsay, izay niteraka fanoherana ny finoana kristianina sy ny fivavahana ary mbola nitohy izany taty amin’ny andro maha-pretra an’i Mômpera d’Alzon. Tao anatin’izany dia tsy nitandro hasasarana tamin’ny fiarovana sy ny fampiroboroboana ny Fanjakan’Andriamanitra izy, fa nanao ny ainy tsy ho zavatra mba hanolotra fanofanana tandrify ny olona tsirairay. Anisan’izany:

  • ny fitantanana ny Kôlejy,
  • ny fitakiana ny zo aman-tsatan’ny sekoly katôlika,
  • ny fampifanantonana ny katôlika sy ny prôtestanta,
  • ny fampanaovana laretirety sy ny fitorian-teny,
  • ny fitantanana ara-panahy,
  • ny fanorenana fikambanana lahika izay antsoina hoe: “Lahika asômpsiônista”  ankehitriny,
  • ny fanorenana fikamban-drelijiozy lahy sy vavy,
  • ny fanokafana seminera ho an’ny tanora tsy afa-miantoka ny saram-pianarany, tandindon’io ny fisian’ny trano fonenan’ny “Aspirant” ao Ankazobe Fianarantsoa, sy ny trano nipetrahan’ny “asprirant” taloha tao Sanfil,
  • ny fanirahana mosiônera izay tsy voasakan’ny halaviran-tany,
  • ny fanaovana fivahinianana masina, ary ny fanotana boky aman-gazety, ka lova avy amin’izany ny gazety “La croix de Paris” izay hitantsika ankehitriny...

Nataony ireo asa aman-draharaha maro ireo mba hanofanany kristianina vontom-pinona, tompon’andraikitra, mijoro sy mivelatra amin’ny maha-olona azy.

Olon’ny fitiavam-bavaka i Mômpera d’Alzon, niankina tanteraka tamin’Andriamanitra, tia ny Fiangonana.  Ny fitiavana ny Fiangonana, hoy izy dia:  ny fiarovana ny zony, ny fandalinana ny fampianarany, ny fahamasinan’ny olona ao aminy ary ny fanitarana azy rehetra ireo no tanjoko, satria ny fanolorako tena ho an’ny Fiangonana dia fanolorako tena koa amin’ny asan’i Jesoa Kristy.

Tamin’ny 21 Novembre 1880 izy no nodimandry tao Nima; rahefa nanokana ny fiainana manontolo ho an’ny Fanjakan’Andriamanitra. Ary nanafatra ny relijioziny izy hoe: “Aoka ho relijiozy vanona”

Ny Fiorenan’ny fikambanana Augustins de l’Assomption

Tamin’ny taona 1838 no niorina tao Nima ny “college de l’Assomption”. Izay naorin’i Vermot. Nandalo olana ara-pitantanana anefa io kôlezy io ka voatery namidiny àry dia i Mr Gourbier sy Pr d’Alzon no nividy azy. Araka ny fanirian’i Mômpera D’alzon dia saika nataony fonenan’ny karmelita io sekoly io. Tapakevitra ihany anefa izy fa hotazomina hatrany ny maha-sekoly an’io sekoly io ary dia novatsiany ara-bola sy nasiany kilasy mandry. Tao amin’io Kôlejy io no teraka ny “association assomptionniste”  izay nahitana diakra iray sy pretra telo ary lahika efatra. Vokatry ny fifanarahana fa ny asa sy ny fampianarana ary ny fitondratena dia hifototra amin’ny fiarovana ny  Finoana sy ny Fiangonana. Teraka noho izany ny fitsipika ifampifehezana ka lasa “association assomptionniste” ny fifanarahana. Naniry hanana fahamasinam-piainana bebe kokoa hatrany anefa izy ireo ka nanampaniriana ho relijiozy. Ary io “association” io no lasa relijiozy asômpsiônista taty aoriana.

Noho izany dia niorina tamin’ny 25 decembre 1845 ny fikambanana asômpsiônita. Toy ny voatsinapy nafafy izy tamin’izany ka nitsimoka tsikelikely. Toa Nima manodidina, ary tao amin’ilay Kôlejy volaza etsy ambony izay nantsoina hoe: “Kôlejin’i Masina Maria nampakarina any an-danitra” na hoe: “ Collège de l’Assomption” no nanombohahany. Io toerana io no tanimbary namafazana ka nahazoana ny voaloham-bokatra satria tamin’ny Noely 1845 no niditra ny noviciat i Mômpera d’Alzon sy ny namany dia: i Henri Brun, Victor Cardenne sy i Hippolyte Saugrin ary i Etienne Pernet. Nanonona ny fanoloran-tena voaloahy amin’ny maha-relijiozy azy izy ireo tamin’ny 25 desambra1850, rehefa nahazo alalana tamin’ny Eveka teo an-toerana. Tsy nisy fandraisana akanjo na voady atrehin’ny be sy ny maro tamin’izay. Fito taona taorian’izany, tamin’ny taona 1857, dia efa nahatratra 27 mirahalahy sahady ny relijiozy mpikambana. Ary tamin’ny 1864 no nankatoavin’ny Papa Ray Masina PIE IX ny fijoroan’ny fikambanana “Augustins de l’Assomption” na koa hoe: “Assomptionnistes”.

 Ny fielezan’ny fikambanana eran-tany

Vetivety foana dia nitatra tamin’ny toerana maro tany Frantsa ny fikambanana. Nahazo vahana izy satria tolo-pahasoavana avy amin’Andriamanitra. Tokana ny hevitra nanentana dia ilay vavak’i Jesoa manao hoe: “Ho tonga anie ny Fanjakanao”, io no vy miaina sy hery mamelona ny hetaheta lalin’ireo relijiozy Asômpsiônista hiasa ho an’ny Fanjakan’Andriamanitra, hany ka tsy nitarain-tana-miompaka izy ireo, tamin’ny asa aman-draharaha nosahaniny, mba hahazary nofo izany vavak’i Jesoa izany. Hain’izy ireo mandrakariva ny mampifanaraka ny ezaka ataon’ny fikambanana amin’ny foto-kevitra ampianarin’ny Fiangonana. Na teo amin’ny ara-tsosialy na teo amin’ny ezaka ho fampiraisana ny finoana, dia tsy nitsahatra ny fikambanana nivelona ny fampianarana atolotry ny Fiangonana ny zanany. Ny hatsorarn‑po hiasa ho an'ny Fanjakan’Andriamanitra no nampiely haingana ny fikaimbanana eran-tany. Ohatra azo tsapain-tanàna amin’izany ny fahatongavany amin’ireto firenena ireto: Oseania, Eorôpa atsinanana, Amerika atsimo sy avaratra ary i Afrika, izay tsinganina manokana i Madagasika.

 Ny fahatongavana eto Madagasikara.

I  Mgr Lefebvre archevêque-n’i Dakara sady tompon’andraikitra ny “Mission Française” taty Afrika no niangavy  mba hialan’ny Lazarista amin’i Faritra atsimo andrefan’i Madagasikara. Niala tao Toliara tokoa ny Lazarista ka nakany Fort-Dauphin. Tamin’ny 25 Jenvier 1952 no nambara tamin’ny “Province de France” ny Mission aty Madagasikara. Ny 30 marsa 1953 no nanambarana fa i Toliara no hankinina amin’ny “Asômpsiônista”. Noho izany dia tonga nitsidika  an’i Toliara ny “Provincial de France” tamin’ny 16 avril 1953.   Tonga tany Fort-Dauphin izy tamin’ny 27 avril 1953 ka nihaona tamin’i Mgr Frenel . Ny 18 juin 1953 no daty nanekena ny hanokafana ny “mission” tao Toliara.  Ny 30 juin 1953, no voatendry hitarika ny “mission” aty Madagasikara i Mômpera Michel Canonne. Ny 25 octobre 1953 izy sy P. Jean-luis Balme ary i P. Jean Gabriel Chatelin no niainga tao Marseille ho aty Madagasikara ary dia tonga tao Toliara izy ireo tamin’ny 25 novambre 1953. Ireo no Asômpsiônista tonga voalohany teto Madagasikara. Tamin'ny 29 novembre 1953 no nandraisan'ny Kristianina azy telo lahy tao Toliara. Fiarahabana tonga soa no natao tamin’izany.

Avy hatrany dia nanohy ny asan’ireo misiônera Lazarista izay mpamaky lay tamin’iny faritra atsimo-andrefan’i Madagasikara iny izy ireo. Nandroso tsara ny asa fanitarana ny Fanjakan’Andriamintra notontosain’ireo Misiônera asômpsiônista ireo ka efatra taona taty aorian’ny nahatongavan’izy ireo dia tsapa fa mendrika hizaka ny maha-diôsezy azy i Toliara. Ka ny 8 avrily 1957 no nanandratana an'i Toliary ho diôsezy, ary i Mômpera Michel Canonne no voatendry ho Eveka tamin’izay, izy izany no Eveka voalohany tao amin’ny Diôsezin’i Toliara. Raha tsiahivina dia i Mômpera Michel Canonne dia isan’ireo misiônera asômpiônita toga voalohany teto Madagasikara. Etsy andanin’izany dia nitombo hatrany ny isan’ireo misônera tonga ka saika pretra asômpsiônista avokoa no nitantana ireo Distrika tao amin’i Diôsezin’ny Taoliara. Na izany aza dia niara-niasa tamin’ireo fikambanana hafa na lahy na vavy izay efa eo an-toerana izy ireo. Feno 60 taona mahery izao ny niasan’ny fikamabana asômpsiônista amin’iny faritra atsimon'i Madagasikara iny ary efa hita amin’ny faritra hafa eto Madagasikara.

Ny toerana misy ny asômpsiônista eto Madagasikara

Diôsezy telo no ahitana ny Asômpsiônista eto Madagasikara: Toliara sy Fianarantsoa ary Antananàrivo.  

Ao Toliara renivohitra dia ahitana “communauté” roa dia: ao Sanfil-Miharisoa, ao no misy ny trano fanofanana an’ireo zatovolahy maniry hiaina ny fiainan-drelijiozy ato amin’ny fikambanana asôpmpiônista.  Ao Belemboka no ahitana ny naviciat sy ny tranon'ny Provincial eto Madagasikara. Ireto kosa indray ny distrika sy paroasy tantanan’ny asômpsiônista:  Betioky, Ampanihy, Ejeda, Androka.

Fianarantsoa: Manirisoa  no misy ny fiofanan'ireo Relijiozy miroso amin'ny Fiainana maha-Pretra. Ary Ankazobe izay miankina amin’ny Manirisoa no toerana andraisana ireo tanora mpianatra mahatsapa fa manana Vocation ka mianatra ao amin'ny Icf ireo tanora ireo. Io dia niorina tamin'ny 2004.

Antananàrivo: Ampandrana-Andrefana. Ao indray no misy ny “communauté” inonen’ireo relijiozy avy any ivelana sy avy eto an-toerana izay mandalina ny teôlojia sy ny filôjôfia ao amin’ny Université Catholique de Madagascar na UCM ao Ambataoroka. Misy ihany koa ireo relijiozy malagasy.

Sahala amin’ny fikambanan-drelijiozy rehetra izay samy mandray fahasoavana avy amin’Izy Tompo izay natao hiainana sy hozaraina amin’ny mpiar-belona dia manana ny aim-pahasoavany ihany koa ny asômpsiônita.

Ny fanomezam-pahasoavana

Ny zava-dehibe dia ny hitiavanareo an’i Kristy sy ireo rehetra notiaviny, dia i Masina Maria sy ny Fiangonana. Izany  no hafatr’i Mômpera d’Alzon, raha nampahatsiaro ny loharanon’ny asam-pamonjena ataon’ny Asômpsiônista izy.

Koa olom-pinoana àry aloha ny Asômpsiônista: miaina ao amin’i Kristy, iray fanantenana amin’i Masina Maria, tsy misaraka amin’ny Fiangonana ary velona ao amin’Andriamanitra.

Vokatry ny fiainana an’ireo fanomezam-pahasoavana ireo dia manana ny toem-panahy mampiavaka azy ny asômpsiônista.

Toem-panahy maha-Asômpsiônista

Ny asômpsiônista dia miaina ny:

  • Fahatsorana,
  • fifandraisam‑po,
  • firahalahiana,
  • fandraisana andraikitra an‑tsitrapo,

izany no toe‑panahy tian'i Mômpera d'Alzon ho tanteraka eo amin'ny fiaraha‑miaina araka ny fitsipik’i Md Augustins, io fiainana ny fitsipik’i Md Augustin io no nahazoana ny anaran’ny fikambanana izay antsoana hoe: “Agutsins de l’Assomption” ankehitriny.

Amin’ny asam-pamonjena sahanin’ny asômpsiônista dia antitranterin’i Mômpera d'Alzon fa ny fitoriana an'i Jesoa Kristy dia tsy azo sarahina amin’ny fampandrosoana ny olona ao anatin'ny fahamarinana, ny fitiavana ary ny fiombonana. Izany indrindra no nahatonga azy nanome lanja manokana ny fanabeazana ara‑pinoana, ny fanofanana ny lahika tompon’andraikitra, ny fitantanana ny antso miantefa amin'ny kristianina tsiraira. Ny asa rehetra sahanin'ny fikambanana dia miorina amin'ny foto‑kevitra ara‑pinoana sy ara‑pahalalana izay mikendry ny hanasoa ny fiaraha‑monina ary miahy ny fampiraisam‑pinoana izay hany lalana mitondra makany amin’ny fiaim-pitiavana aorin’i Kristy. Ho fanantateraha an’ireo dia manana ny fitsipika mifehy azy ny asômpsiônista izay tsy ho voatanisa eto afa-tsy ireto vitsivitsy ireo.

 Fitsipi‑piainana

  1. Isika asômpsiônista dia relijiozy miara‑miaina mba hitory ny vaovao mahafalin'i Kristy. Ny sori‑dalana natoron'i Mômpera Emanoela d'Alzon no arahintsika. Ka ny fikatsahana ny fahatongavan'ny fanjakan’Andrimanitra ao amintsika sy eo amin’ny manodidina antsika no vaindohan‑draharaha noho ny fitiavana an'iKristy.
  2. I Kristy no vatofehizoron’ny fiainantsika. Nanao velirano isika mba hanaraka azy amim‑pinoana, amim-panantenana ary amim‑pitiavana. Toa an'i Kristy izay Vavolombelon'ny fitiavan'ny Ray, iray fo amin'ny olombelona, ny Asômpsiônista koa dia olon'ny finoana ka mivelona izany finoana izany amin’ny fotoana iainany.
  3. I Kristy no mampivondrona antsika. Miara-miaina isika, araka ny fiheveran’i Md Augutsin manao hoe: “Alohan’ny zavatra rehetra, aoka ho firaisam-po sy firaisam-panahy  no hanjaka ao amin’ny fiaraha-miaina ajoronareo, ary izany fo sy fanahy iray izany no ho entinareo mitodina amin’Andriamanitra”. Ny hany katsahintsika isan’andro dia fiainana feno hitsim-po, fifankahazoana ary fahatsorana.
  4. Ny fiaraha-mivavaka ataontsika isan’andro dia izay ataon’ny Fiangonana. Ao anatin’izany  isika rehetra no mankala ny finona, sahy mihaino ny bitsiky ny Fanahy Masina amin’izay iraka ampanaovina antsika. Ny vavaka no manosika antsika hiasa mba ho zary fitoriana ny Vaovao Mahafaly ny fianantsika.  
  5. Ny fiavian’ny Fanjakan’Andrimanitra  no anton'ny fisian'ny asômpsiônista. Ny foto‑kevitra nitarika ny mpanorina no manosika antsika handray anjara amin’ny raharahan’Andriamanitra sy ny olombelona, ka nahatonga antsika miaro ny zon’Andriamanitra sy ny olombelona voahitsakitsaka. Mitaky fahasahiana izany, fahaiza‑mandray andraikitra  sy fahafoizan‑tena.  Izany koa no fandraisantsika anjara amin’ny fiainan’ny Fiangonana sy ny iraka ampanaoviny.
  6. Tsy mivadika amin'ny hafatr’i Mômpera d’A1zon isika amin’ny fiaraha-miaina ho enti‑manompo ny fahamarinana, ny firaisan‑kina ary ny fifankatiavana. Amin’ny alalan'izany no ahazoan’ny fikambanana mitory ny Fanjakan’ny Lanitra.
  7. Misy koa ireo kristianina voasariky ny toem-panahy maha-asômpsiônista ka miaina izany eo an’ivon’ny fiarahamonina. Izy ireo no antsoina hoe lahika asômpsiônista.

Ny lahika asômpsiônista eto Madagasikara

Ny lahika

Ny lahika asômpsiônista eto Madagasikara dia niantomboka tamin’ny fahatongavan’ny relijiozy  Asômpsiônista tao  Manirisoa-Fianarantsoa, izay niantomboka tamin’ny fiaraha-dian’ny Relijiozy sy ny Lahika (tanora). Teo ampiandohana dia “as de Coeur”  no anarana nentiny, avy eo lasa "amis des augustins de l'Assomption", dia izao antsoina hoe lahika asômpsiônista izao. I P. Pierre Tollard no nanentana azy tany amboalohany, izay mitantana ny Fiangonana ao Betsinjaka-Toliara izy amin’izao fotoana izao. Toy ny fikambanana rehetra dia nandalo sedra koa ny fikambanan’ny lahika ka nisy ny fotoana nahafaty kely azy. Ka ny asabotsy  03 sy ny alahady 04 avrily 2004 no velona indray ny fikambanana, i P. Maurice Laurent sy ireo Frera tao Manirisoa-Fianarantsoa no namelona azy indray, miisa 15 teo izy ireo tamin’izany. Ary nandroso ny fikambanana ka vonona hiara-mientana amin’ny relijiozy asômpsiônista amin’ny fampanjariana ho nofo ao aminy sy amin’ny hafa ny vavak’i Jesoa hoe: “Ho tonga anie ny fanjakanao”. Nijoro niaraka tamin’izay koa ny sata mifehy ny fikambanana tao Fianarantsoa. Izay nakana ny satan’ny mifehy ny lahika asômpsiônista rehetra  eto Madagasikara.

Ny Diôsezy ahitana ny fikambanana dia Antananarivo, Fianarantsoa, Ambositra ary Toliara. Ny fepetra hidirana ao amin’ity fikamabanana ity dia olona vonona hiaina ny toe-panahy maha-Asômpsiônista tanteraka, olona efa matotra. Araka ny tenin’i P. Maurice hoe: “Aleo manana mpiara-miasa vitsy, vonona hiaina am-pinoana sy ampitiavana, tsy misy teritery ny fiaimpiainan’ny Asômpsiônista, toy izay be tsy ahatafitana ny tanjona ho tratrarina”.

Ny fifandraisan'ny Relijiozy sy ny lahika

Manao fifampizarana  ny fiainana ny toem-panahy maha-Asômpsiônista isam-bolana ny lahika sy ny relijiozy. Misy ny relijiozy voairaka ho zoky am-panahy sy hanofana sy hifampiazara ny aim-panahy amin’ny lahika asômpsiônista. Akoatr’izany misy fankalazana amin’ny fiaraha-mivavaka ny fidiran’i P.Emmanuel D’Alzon any an-danitra, ny faha-21 ny volana novambra. Eo koa ny fety ho fifampizarana hafalina sy ny fifanampiana amin’ny fanentanana ny Luturgie, indrindra amin’ny fanomanana ny voady sy ny ordination samy hafa.

Mivory isaky ny alahady iray isam-bolana izy ireo. Manao recollection  in-3 isa-taona. Manao fampisehoana rindran-kira na vaovao mahafaly an-kira toy izay ataon'ny lahika ao Fianarantsoa. Manana gazety natao hifandraisan’ny samy mpikambana izy ireo. Miezaka manao asam-panasoavana araka ny ohatra efa natoron'i Mômpera d'Alzon ihany koa ny lahika. Ary tsapa fa hatrany am-piandohana dia ny efa nisy lahika niara-dia tamin'i Mômpera d’Alzon teo ampanorenana ny fikambanana Asômpsiônista. Fantatra koa fa ny lahika no miara-miaina akaiky sy mahita ny tena fiainam-piaraha-monina ka izany indrindra no mahamatotra ny fiaraha-miasa eo amin'ny lahika sy relijiozy Asômpsiônista, dia ny fiaraha-misalahy amin’ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly.

Toem-panahy iainan’ny Lahika asômpsiônista

Toy ny relijiozy asômpsiônista dia miaina ny toem-panahy fototra ny fikambanan’ny lahika dia ny fiombonan-panahy miaraka amin’i P. d’Alzon dia: ny Mitia an’i Jesoa, Masina Maria ary ny Fiangonana. Ireo fitiavana telo ireo no nanentana an'i P d’Alzon  ka ireo ihany koa no vy miaina mamelona ny fiainam-pikambanan’ny lahika.

 Miezaka mivelona amin'ny Tenin'Andriamanitra ny tsirairay. Ary mihaino sy mamantatra izay takian'ny Fiangonana aminy. Ka lasa tonga Kristianina tompon'andraikitra izay afaka manampy ny mpitondra Fiangonana amin'izay Paroasy ivavahany. Io no porofo fa tia an'i Jesoa sy izay notiaviny ny lahika asômpsiônista. Marina ny fomba fiteny malagasy manao hoe: Raha tiana ny vady, ny rafozana no tsinjovy mandeha. Ka raha tiana i Jesoa ny Fiangonana no tompoy ampitiavana. Ka noho izany dia manana ny apôstôlany izy ireo.

Ny apôstôla ataon'ny lahika

Akotra ny fiainana ny toem-panahy maha-asômpsiônita amin’ny sehatr’asa rehetra dia manatanteraka apôstôla mivantana ny lahika.

Ny apôstôla ataon’izy ireo ohatra dia: fampianarana katesizy, fitarihana pelerinage, famangiana ny sembana sy ny marary eny amin’ny toerana natokana ho azy ireo (hôpitaly, ankany, fonja), miombona amin’ny fampivoarana ny fiaraha-monina, mandray anjara amin’ny raharaham-piangonana.

Manana adidy hanampy ny Fiangonana misy azy ny lahika na dia tsy ny relijiozy asômpsiônista aza no mitantanan eo an-toerana. Ny fandraisana andraikitra rehetra dia antsitram-po avaokoa ary tsy itadiavany tombontsoa raha tsy hotanisa afa-tsy ny voninahitra sy ny harena...

 Ny lahika asômpsiônista dia hita manerana an’izao tontolo izao, indrindra amin’ireo toerana izay misy ny Asômpsiônista.